TSOTA - Zava Mahery текст песни

Текст песни Zava Mahery - TSOTA



Misy raha mbola tsy hitako
Misy raha mbola tsy niainako e!
Satria ny lalana nandanako
Tsy mbola nisy toa anao na iray akory e!
Ento misidina aho fa Mafana
Miakatrakatra ny maripana
Ny lasako ekeko hoe ratsy
Fa any aminao ny hatsarana
Fiainan-dratsy efa hitako
Ram pam pam Pam efa hitako
Ny hadalana efa vitako
Fa aminao ah mila raha soasoa
Mila zava-mahery a
Fa tsy zava mahory
Vao tsy anilanao anie tsy mahita tory
Mila zava-mahery ah hoah
Fa tsy zava mahory
Mila rivotra madio mitsotsoka
Mba manala sorisory
Ny eritreritro naloto nisy tasy e!
Vao nolalovanao dia tonga dia voasasa e!
Tsy ny sandry fa ny foko aminao no miasa e!
Enao milay milay anh
Ka androany ny hatezerana alaviro ahy
Ohooh Oooohh
Fa mba mila sentimaka matsiro aho
Avy aminao Eeeeee
Fiainan-dratsy efa hitako
Ram pam pam Pam efa hitako
Ny hadalana efa vitako
Fa aminao ah mila raha soasoa
Mila zava-mahery a
Fa tsy zava mahory
Vao tsy anilanao anie tsy mahita tory
Mila zava-mahery hoah
Fa tsy zava mahory
Mila rivotra madio mitsotsoka
Mba manala sorisory
Ento misidina aho fa mafana
Miakatrakatra ny maripana
Ny lasako ekeko hoe ratsy
Fa any aminao ny hatsarana
Fiainan-dratsy efa hitako (efa vitako ô)
Mila zava-mahery a
Fa tsy zava mahory
Vao tsy anilanao anie tsy mahita tory
Mila zava-mahery hoah
Fa tsy zava mahory
Mila rivotra madio mitsotsoka
Mba manala sorisory



Авторы: Jean Régis Randrianirina


TSOTA - Zava Mahery
Альбом Zava Mahery
дата релиза
22-10-2020




Внимание! Не стесняйтесь оставлять отзывы.