Kemyrah feat. Doubl'e'nn & Mic Hir - Carpe Diem paroles de chanson

paroles de chanson Carpe Diem - Kemyrah feat. Doubl'e'nn & Mic Hir



Tsy vita ny ady amin'ny fotoana
Ra-fahafatesana amin'ny farany tsy maintsy mandresy
Raha mandeha ny segondra, minitra, ora na volana, taona
Aleo izy handeha hisesy atao akama lesy akia
Amin'izay isika samy mpandresy ambonin'ny mpandresy
Dia alaina daholo ny tsiron'ny ankehitriny
Ny lasa sy ny ho avy atao pion sy pièce
Atao lalao avo lenta ny fiainana satria mpivahiny
Tonga soa eto amin'ny planeta tsara indrindra
Continente tsara indrindra
Firenena tsara indrindra
Mozika tsara indrindra
Flow sy rycs tsara indrindra
Satria eo ianao dia vao maika ny fiainana mirindra
Mitroka, mitsoka, mihafy ny hazon-damosin'ny fiainana
Matsiro be
Fiainana azon'i Alibaba
Tokotanin'ny Inspi ataoko tanety lava misy hisainana
Hoe amboleko hasambarana izay hotazako izao ihany rangah
Zao dia izao
Zao dia izao ihany no ilainao
Ny lasa momba ny lasa
Ary ny ho avy tsy ho hainao
Mifalia fotsiny eny ary minoa fotsiny ihany
Ny tanjonao tsy maintsy tratra na rahampitso na androany
Na rahampitso na androany
Fa minoa fotsiny ihany
Tsy fantatro ny omaly
Androany aloha mistera
Ny hafaliana rahampitso ihany koa mety miserana
Mila mametraka anio
Anio dia carpediem
Ny fiainako tadidio, iainako koa tsy misy blem
Aza mamaky loha amin'izay ampitsonao any
Fa ianao mila mifoha
Dia fafao ny tomany
Aza manaiky ho reraka izany ianao
Tairo zory mahitsy foana ny lalanao
Tsisy tsy nanota
Fa raha izany foana no ataonao an-tsaina
Tsy afaka ny handroso mihitsy ianao
Aza manontany hoe ilaina ve ny mihatrika ny olana mianjady amin'ny fiainanao
Raha te ho tafita
Mila mijery ianao, mahita
Ny androany aloha no atao tsara
Dia tsy mijery ny any afara ianao dia tafa my nigga
Zao dia izao
Zao dia izao ihany no ilainao
Ny lasa momba ny lasa
Ary ny ho avy tsy ho hainao
Mifalia fotsiny eny ary minoa fotsiny ihany
Ny tanjonao tsy maintsy tratra na rahampitso na androany
Na rahampitso na androany
Fa minoa fotsiny ihany



Writer(s): Tahiana Andrianiaina


Kemyrah feat. Doubl'e'nn & Mic Hir - A.K.A 47
Album A.K.A 47
date de sortie
11-01-2020



Attention! N'hésitez pas à laisser des commentaires.