Kemyrah - Ndw текст песни

Текст песни Ndw - Kemyrah



Kivy ianao izao ny farany eh?
Toa tsy misy mety izay ataonao
Efa maromaro tsy indray mandeha
Indraindray
Efa reraka ny mitalaho
Maraina miala ao ambovo ianao
Alina be vao mirava
Isan'andro hila tsy ihinana ny vava
Ny tokantrano mintsy no mila ho rava
Efa ho isanandro nareo mivady
Tsisy ny vola dia mivadika ho ady
Efa hiara mahalala fa ny vola fitady
De aza gaga amin'izany ianao ranabavy e
Efa nataonao daholo izay azo atao
Sera nanao ny tsy fanao yah
Toa miletika hatrany ilay sambo
Ny fiainanao toa mankalaho
Manontany tena ianao
Inona no tena antom-pisianao?
Enao tsisy afa-tsy ny fandriana
Ny sasany trano avec piscine
Fa nisy inona?
Miangatra ve ny Avo?
Efa firy taona ianao izay no niandry ny anjara masoandronao
Ndw ianao ndw ianao,
Haiko fa vitanao, vitanao izany
Ndw ianao, dia mitsangana ianao
Raiso an-tànana ny hoavinao
Ndw ianao ndw ianao,
Haiko fa vitanao, vitanao izany
Ndw ianao, dia mitsangana ianao
Raiso an-tànana ny hoavinao
Mahazo mitomany ianao mafy ny ady
Nefa tsy ho alatsaka foana ny ranomaso
Nefa tadidio fa ny vola fitady e
Mbola hisava io aloka io lo fa andraso
Misy anie miandry an'ialahy ho faty
Misy anie miandry an'ialahy ho lavo
Misy ireo miandry ny fahavoazan'ialahy
Tsy mirary an'ialahy hiakatra avo oh
Yeah, non tena mba kozinava izany
Ny bandy koa tsy hijanona ho pote lava izany non non
Rehefa tsisy tombotsoa intsony
D'efa sahany ny manindrona mitrosona am tany ialahy non
Hoe ialahy hono izao dia izao
Bandy mampiomehy ialahy fa hialao
Ilay hoe refré, bro dia brada
Vitsy ny tena izy fa you know
Fa raiso an-tànana ny hoavinao mandrosoa
Raha eo ny laona d'ianao indray ve no tsy hitoto oh
Tsisy mafy tsy laitran'ny boto oh
Reven'ialahy ny vazo fa ny vola tsy atao maloto
Ataovy tsara aloha izay vitanao
Dia arahana amin'ny vavaka ny vintana
Tsy miandry ny hafa izay vao manao
Izay tokony ahatafa ataovy izao dia izao
Raisinao ny penina dia raisinao ny taratasy
Tadidio fa betsaka ny Barabasy
Finana atao face à face
Anaty fandresena vao mivazavaza
Ndw ianao ndw ianao,
Haiko fa vitanao, vitanao izany
Ndw ianao, dia mitsangana ianao
Raiso an-tànana ny hoavinao
Ndw ianao ndw ianao,
Haiko fa vitanao, vitanao izany
Ndw ianao, dia mitsangana ianao
Raiso an-tànana ny hoavinao
Fiainana mandalo, betsaka ny fahavalo
Fa ianao mandroso foana




Kemyrah - Ndw
Альбом Ndw
дата релиза
12-10-2021

1 Ndw




Внимание! Не стесняйтесь оставлять отзывы.