Marion feat. Teddy Prezeau - Tiako Ianao Lyrics

Lyrics Tiako Ianao - Marion feat. Teddy Prezeau




Tsaroako androany ilay teny iray
Nampikambana ny fo,niombonantsika roa
Efa ela ihany angamba izay
Eny androany mbola tsy miova
Fa dia sahy foana hijoro
Eny hoy ianao,vonona aho na tsy sahy
Hanaraka anao,na mbola tsy hay izay ho avy
Tiako ianao,tena tiako
Ary androany izay nekeko efa anao
Satria toa lay faniriako
Ka ny andro sisa,eny,ho atokako anao oh
Anao rery ho doria
Oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh
Aleo aho mba hiteny,
Hanambara anao izay miafina mbola
Kobona ato an-tsaiko tato tsy nifoha
Aleo hivoaka fa tsy voatazoko intsony
Isan'andro izao,mbola ianao foana ny masaka an-doha oh oh
Hijery anao aho,hilaza aminao fa mbola tsy miova
Eny fa ianao foana
Tiako ianao,tena tiako
Ary androany izay nekeko efa anao
Satria toa ilay faniriako,
Ka ny andro sisa,eny,ho atokako anao oh
Anao rery ho doria
Oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh,oh
F'ianao no niteny ilay voady fa voatana ho ahy irery
Io mbola tsy miova eny hatramin'izao
Ka isaorako anao ouh,eny isaorako anao ieeeyh
Eny isaorako ianaaao
Eny fa ianao foana
Tiako ianao,tena tiako
Ary androany izay nekeko efa anao
Satria toa ilay faniriako,(toa ilay faniriako anyy)
Ka ny andro sisa(ka ny andro sisa),eny,
Ho atokako anao oh(natokako anao ouh,natokako anao)
Anao rery ho doria




Attention! Feel free to leave feedback.