Marion - Feno Anao Lyrics

Lyrics Feno Anao - Marion




Toa tsy mety mitony, ny ao anatiko ao
Te hilaza aminao, nefa miahotr'aho
Njao mientana ny fo, manoloana anao
Na ny mora indrindra aza, lasa sarotra
Matokia foana ihany kanefa aza manahy
Aleo hibitsika mangina ny ao antiko ao
Efa feno anao, 'zao tontolo rehetra izao
Fa raha tsy eo ianao, toa tsy mety izay atao
Anio raha sitrakao, tsorina eto indray
Ho anao, ho anao,ho anao
Ny foko anjakao
Ny efa vita taloha, misy ho visavisaina
Ny anio, lay fitia vaovao ndray no andrandraina
Samy tia tao am-po, miandry ny maraina
Efa fiainana vaovao manombok'eto ataovy an-tsaina
Matokia foana ihany kanefa aza manahy
Aleo hibitsika mangina ny ao antiko ao
Efa feno anao, 'zao tontolo rehetra izao
Fa raha tsy eo ianao, toa tsy mety izay atao
Anio raha sitrakao, tsorina eto indray
Ho anao, ho anao,ho anao
Ny foko anjakao
Ny mpanenjika, tsy tia ho romotra tsy maintsy hiteny
Ho avy ny andro ratsy ho resintsika ireny
Efa feno anao, 'Zao ny tontolo rehetra izao
Fa raha tsy eo ianao, toa tsy mety izay atao
Anio raha sitrakao, tsorina eto indray
Ho anao, ho anao,ho anao
Ny foko anjakao



Writer(s): Marion Ramandaniarivo


Attention! Feel free to leave feedback.