Mr Sayda - Tia Anao Aho paroles de chanson

paroles de chanson Tia Anao Aho - Mr Sayda



Atolotra hoan'ireo kofboay ze mahatsiaro an Jobany e
Vazo anakiray
Inspiraka sendra nandalo
Tsy nahay nifankahazo fa tsy
Nifankafoy
Efa fantatra fa mety tsy hitohy
Nefa aza hadino
Fa tia anao aho
Namoronako vazo fa tsy matiko lolo Izaho no
Adala tsy nahasahy nikolokolo Hahatsiarovanao
Fa tia anao aho
Fa efa dila ve ny antsika ny ririnina
Olon-kafa indray no toa efa fihininao Nefa
Aza hadino fa tia anao aho
Nomen'i Zanahary ianao fa izaho tsy ambinina
Sao dia izaho kosa no tena tsy ampahafiriny
Tsy haiko aloha
Fa tia anao aho
Na handeha any ho any fa indray andro any
Tsy maintsy hanontany ny fonao aminao Izaho hamaly anao hoe
Tia anao aho
Aleo hihodina ny tany, ny tsara koa tsy lany
Fa ny antsika roa kosa mbola hafa ihany Fantatrao tsara
Fa tia anao aho
Tsaroako ianao nitady hanambady
Ho ataon'ny bandy hoe iny ilay mpanjakavavy
Nefa kosa tsy hanadino
Fa tia anao aho
Izaho atý tanam-polo efa sasa-miandry Marary fo
Izaho tsy afaka hidona sandry Manantena sisa hoe
Mbola tia anahy ianao
Raha sendra mahatsiaro any aoriana mandalova
Fantatrao fa ny adiresiko tsy miova Miandry anao aho fa tia anao aho
Ka any aoriana any ianao hiteraka lahy
Ny masony mitsiky no ahatsiarovanao anahy
Ahatsiarovanao e
Ilay bandy tia anao e
Na handeha any ho any fa indray andro any
Tsy maintsy hanontany ny fonao ao aminao
Izaho hamaly anao hoe
Tia anao aho
Aleo hihodina ny tany, ny tsara koa tsy lany
Fa ny antsika roa kosa mbola hafa ihany Fantatrao tsara
Fa tia anao aho
Aleo hihodina ny tany fa na tantara mamy aza
Indray andro any mety manam-piafarany Mirary soa ho anao aho,
Na mbola tia anao ara aho.



Writer(s): Serge Lionel


Mr Sayda - Mr Sayda Best
Album Mr Sayda Best
date de sortie
09-06-2020



Attention! N'hésitez pas à laisser des commentaires.